Mandady romota ireo trambolahy Misalotra ny faniaman'ireo vazaha mpanjanaka Mody manao asa soa mampiasa vola be soa etsy sy eroa Nefa hanandevo sy handroba ny haren'ireo taranaka
Aza ravaina re ny tany e Fa avelao ho lovain'ny hafa any aoriana Aza simbaina re ny tany e Fa avelao ho lovain'ny hafa any aoriana
Tsy renao ve mito ndra kolontsaina ratsy ireo jiolahy? Miadam-pandeha, mampitondra enta-mavesatra Jereo! Mametaveta ireo taranaka Fa loza hoan'ireo izay manaiky ho resin'ireo tsy vanona!
Aza ravaina re ny tany e Fa avelao ho lovain'ny hafa any aoriana Aza simbaina re ny tany e Fa avelao ho lovain'ny hafa any aoriana
Tranon-kala e! Hatrany ampaladia Trano be faharatsiana ny trano be izay nihaviana Korotam-peo, karazana teny tsy fantatra Entiny manababo an'ireo kely salosana
Aza ravaina re ny tany e Fa avelao ho lovain'ny hafa any aoriana Aza simbaina re ny tany e Fa avelao ho lovain'ny hafa any aoriana